Mme Masy Razafindradama: mpiandraikitra ny PSF, CSA

Nanomboka niasa teto aho tamin’ny novambra 2004, mpitan-tsoratry ny CSA. Avy eo, mpitan-tsoratry ny Pasitoralin’ny fahasalamana sy ny fianakaviana na Pastorale Santé et Famille / PSF. Ary tamin’ny

2014 : mpiandraikitra an’ity farany. Matoa naharitra sy nivoatra dia nisy ny fifankazahoana teo amin’ny mpampiasa. Teo koa ny tombotsoa azo : tsy ara-materialy, fa ny fahatoni-tsaina sy fiadanam-po. Resy lahatra rahateo aho fa iraka ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny fianakaviana sy fahasalamana.

Raha ny fianakaviana no resahina dia misy tokoa ny sedra atrehina. Ao ny misaraka. Ny tokan-tena. Ny mifampody. Tsapa fa misy fijaliana amin’ireny. Momba ny fahasalamana indray dia anisan’ny atrehinay akaiky ny ady amin’ny VIH-SIDA. Iraka irotsahana manokana io satria tanjon’ny centre ny fitsinjovana ireo olona sahirana, mahantra, voan’ny tsindry hazo lena, marefo. Ireny no beazina. Ny asa sosialin’ny Fikambanana rahateo dia natao hanabe ny hafa ho tompon’andraikitra. Koa misy ny fikarohana, fanadihadiana, fanangonana tahirin-kevitra, fitadiavana ny fomba mahomby fiantsoana olo-afa-manampy, fampijoroana vondron’olo-miara-midinika, fanakarana izay azo anampiana ny fiarahamonina. Eo anivon’ny fianakaviana indrindra no tena amatohana ny karoka. Koa jerena izay mampiraikitra ny olona voan’ny SIDA amin’ny fitsaboana sy ny hamerenana ny ondry nivoaka ny vala. Misy manko ny tsy miverina intsony… Ny fitiliana ny VIH amin’io, mandeha ihany.

Anisan’ny tena imasoanay koa moa ny fanaparihana ny EVA (Education à la Vie et à l’Amour), izay Vaomieran’asa ny Eveka. Ary zary ahalalan’ny maro an’ity Eva ny fandaharana ataonay ao amin’nyRadio RDB. Fa misy tetikasa hafa efa an-dalana. Miantso fiaraha-miasa manko ny Vaomieran’asa ny eveka amin’ny famolavolana Fandaharam-panofanana ho an’ny talen-tsekoly eto Madagasikara. Manana ny tahirin-kevitra ho an’izany isika. Manampy an’ireo moa ny Fanofanana EVA mivantana. 30 ohatra no navoaka ny andiana mpanofana voaofana, ho an’ny EVA jeunes, tamin’ny 2016, raha15 ihany aloha no tratra no tratra amin’izao 2017 izao. Fa eo koa ny sekolin’ny ray aman-dreny : EVA parents, ny valan-dresaka, ny fidinana an-tsekoly na any amina fiangonana. Fa tsy hadino koa ny fiatrehana ny fanabeazana momba ny tontolo iainana. Na ny ho olom-banona. Ny maha olona manontolo no beazina amin’izany mba hahatonga saina ny tsirairay. Mirotsaka amina fanofanana samihafa koa izahay, mba hanamafisana fahaiza-manao isan-karazany. Miara-miasa amina mpitarika olona za-draharaha, any amina sehatra maro : Minisiteran’ny fahasalamana, BMH, CISAL, Befelatanana, SE-CNLS, Commission Episcopat de la santé, Commission diocésaine (Atsimo andrefana- Analamanga, Boeny, Diana). Ary miditra manao « plaidoirie », « lobbying ». Eo an-dalam- pamoahana boky koa izahay. Atao an-tsoratra daholo rahateo ato ny zavatra rehetra, mba hisy tahiry mipetraka lalandava sy hifandovana.

Amin’ny ankapobeny, mahafinaritra ny fifandraisana. Fa ny famindrana sy tsy fitohizan’ny raharaha no tsy lafatra ka miteraka tsy fifampitokisana. Izay tonga, manova… Rehefa mifampiresaka sy mifamindra fo anefa, mety ihany. Ilaina fahaiza-mandanjalanja koa ny fianana. Manampy be amin’izany ny fiofanana azo tamin’ny PROSPI : momba ny fivavaka samihafa, ny discernement sy examen de conscience…

Mme Masy RAZAFINDRADAMA, CSA