Tsy mirindra ny fiarahamonina eto Madagasikara araka ny fahitako sy izahay ato amin’ny CSA azy. Maneho an’izany ny firongatry ny fitsaram-bahoaka tato ho ato. Marefo ny rafi-pitantanana ny fitsaboana sy fikajiana ny fahasalamana. Tsy misy politika mazava momba izany. Tsy ahitam-bokatra araka ny tokony ho izy ny fampianarana. Manjaka ny tsy rariny. Be ny elanelana eo amin’ny mahantra sy mpanan-karena. Ny sasany tsy manan-kialofana. Ny hafa manorina ihany. Etsy andaniny, mikorontana ny toetr’andro, ritra ny rano. Mitohy ny fampiasana fonosana plastika… Ny lalàna moa, io tsy voahaja io. Mbola be ny ezaka tsy maintsy ho tontosaina mba hahatan-dalàna ny firenena, hampahatongavana ny fandalan-dalàna ho kolontsaina. Tsy ampy manko ny fametrahana lalàna fa tsy maintsy hajaina izay mana-kery.
Amin’ny lafiny politika, tsy mifampatoky intsony ny mpitondra sy entina. Sarotra ho an’ny vahoaka miaiky ny mampitombina voka-pifidianana. Araka izany, tsara raha miainga avy any ifotony ny fifidianana isan-tokony. Izany hoe miainga avy any amin’ny fonkotany, dia mankany amin’ny firaisana, depiote, sns… Tsapanay fa zava-dehibe loatra eo amin’ny fiarahamonina ny fifampitokisana. Koa ilaina koloina ny fifampiresahana ankitsi-po, indrindra ao anatin’ny fianakaviana, sehatra hiaingana hanomezan-danja ny kolontsain’ny fiainana. Hanabezana ny tsirairay mba hahay hampirindra ny teniny sy ny fihetsiny ohatra.
Tsorina manko fa ny olan’ny fiarahamonina dia olana ara-kolontsaina. Mazava ny amin’izay. Satria ny fiarahamonina no mamorona kolontsaina. Ary ny kolontsaina no mamaritra ny mampiavaka ny fiarahamonina tsirairay. Koa ny vahaolana atolotry ny CSA eo anatrehan’izany olana sy fanamby rehetra izany dia ny fifampibebahana, fifanabeazana, fijoroana ho fankatahaka. Fa eo koa ny famokarana soatoavina ifaharan’ny kolontsaina. Miara-miasa amin’ny hafa na an-tambajotra izahay amin’izany. Tsy voatery ho ato amin’ny Fiangonana ihany akory. Miezaka mandresy lahatra. Manositosika. Mitaky… Tsy ny vokatra ho azo no handrandraina fa ny akony asa vita no tombanana.
Be mpahafantatra rahateo ity Centre ity. Ary maro ny olona nandalo teto no mahazo toerana ambony.
Hampiasanay koa ny fahaiza-manao samihafa. Misy valan-dresaka sy dinika ary fiofanana samihafa tontosaina eto. Eo koa ny « semaine sociale » izay atao atsy ho atsy.