Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mpitory ? Ary atao ahona no fitory raha tsy misy ny irahaina ? (Rom 10,14-15). Tamin-kafaliana tokoa no nankalazan’ny kolejy masindahy François xavier eto Ambatomena, ny fetintsekoly izay ankalazana ny mpiaro ny sekoly masindahy François xavier. Izany moa dia notanterahina nanomboka tamin’ny 03 ka hatramin’ny faha-7 ny volana desambra 2024 lasa teo.
Ny fetin’ny fankalazana moa dia natomboka tamin’ny Sorona Masina lehibe, izay notarihin’ny Arseveka ny Fianarantsoa Fulgence RABEMAHAFALY. Teo ihany koa ny fanotronan’ny lehibe ny faritry Madagascar Mopera Babeson Joslin niaraka tamin’i Delforme sady rekitoran’ny Tsaramasoandro, mopera Nirina RAKOTOSOLOFO. Niverimberina nandritry ny toriteny izay nataon’ny Arseveka fa ny sekoly katolika dia mijoro ary manabe ny olona manontolo. Notsindriny manokana ihany koa fa mandray anjara mavitrika amin’izany ny fikambana amin’ireo fitaizana ny kilonga mba hikendry ny avo hatrany. Hita fa niombona sy niara-nientana ny voahiraka rehetra (Ny mpandraharaha, ny mpiara miombon’antoka, ny mpampianatra, ny mainty molaly, ny Vondron’ny Ray aman-dReny ny Mpianatra (VRM) , ny relijiozy lahy sy vavy ary indrindra ny mpianatra), tamin’ny fandaminana sy fanomanana ary fanatanterahina ny asa fankalazana izay niseho tamin’ny endrika maro lafy. Izany moa dia toa taratra sahady ny maha Eglizy miara-dia izay iainan’ny Fiangonana manontolo ankehitriny.
Ny Endriky ny fankalazana moa rehefa vita ny Sorona Masina dia niroso tamin’ny Tsaingoka sy goka teny amin’ny LA RIZIERE Antady ireo nasaiana manankaja rehetra toa ny Arseveka sy ny avy ao amin’ny DIDEC ary notronin’ireo solotenam-panjakana maro samy hafa izay notarihin’ny governora ny faritra Haute Matsiatra, sady mainty molaly ny kolejy raha teo. Ny teto amin’ny kolejy kosa dia niroso tamin’ny fifampizarana ny manta sy ny masaka tao amin’ny kianja maintso. Izany moa dia efa voasokajy isan-tokony avy ka notronin’ireo pretra sy mpanabe. Nahafinaritra ny fifampizarana fa dia nizotra an-tsakany sy an-davany ; Tanteraka tokoa ilay voalaza hoe « Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra ; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra » Asa4, 32-35) !
Rehefa vita izay dia niroso tamin’ny ZUMBA teto amin’ny « cours d’honeur ny premier cycle » ny rehetra, ka ny masoandro maty no nampalahelo. Nitohy tamin’ny fanatanjahantena sy tsidika izany ny alarobia sy alakamisy ary ny zoma maraina. Ny tapany maraina moa dia fanatanjahantena ary ny tolakandro dia nanaovana ny tsidika. Ny zoma tolakandro kosa dia niroso tamin’ny antsoina hoe « ketrika ». Ny ketrika moa dia seho arakolotsaina andraisan’nireo ankizy sy mpanabe ary ireo rehetra izay manatalenta anjara amin’ny dihy sy hira mba ho fitadiavam-bola hanatsarana ny kolejy.
Nofaranana tamin’ny « Kabaré » izay niarahana tamin’ny «Groupe B-taorah » izany ny hariva ny zoma, ka nifarana tamin’ny sasakalina tany. Teo ihany koa moa ny fanotronan’ireo « UMAGIS VOICE » izay notarihin’i mopera Hularion Rakotoarison Nafinaritra ary kanto ny fifanomezan-tanana ary mendrika sy azo itarafana amin’ny maha mpirahalahy ato anatin’ny fikambanana. Ny asabotsy maraina moa dia nofaranana tamin’ny hetsika izay nataon’ireo mpanao hay ady (Judo sy karaté) eto amin’ny Kolejy ny hetsika ary avy eo vao samy namonjy ny fodiana ny rehetra.
P. Jean Pierre s.j, SFX

