You are currently viewing Teraka ny fiaraha-mientana « VOIZO MANAFO » andihany voalohany

Teraka ny fiaraha-mientana « VOIZO MANAFO » andihany voalohany

Teny Analamahitsy no nanatanterahana ny hetsika « Voizo Manafo 1 » ny alakamisy 9 aprily 2026 lasa teo. Fiaraha-mientana ho fikolokoloana ny Tranobe iombonana no tanjon’ny hetsika, izay nandraisan’ireo tanora zezoita andalam-piofanana anjara mavitrika.

Taorian’ny firahalahiana ara-panatanjahan-tena ny volana desambra 2025 dia niverina nihaona sy nifampitaona teny Analamahitsy indray ireo tanora zezoita an-dàlam-piofanana eto Antananarivo ny herinandron’ny Paka lasa teo. Ny Prenôvisy, ny Nôvisy, ny Skôlastika filôzôfa ary ny Skôlastika régents no nandrafitra ny ekipa. Nifantoka bebe kokoa tamin’ny asa fanadiovana ny làlankely sy ny aty ala ny tapany maraina. Teny an-kianja ihany no natao ny fiaraha-misakafo ny atoandro izay narahin’ny fampahafantarana fohifohy ny tsirairay isaky ny dingam-piofanana. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Solontenan’i Provensialy momba ny fiofanana (Del.Form) no nilazany fa « santatra am-bavarano ihany ny hetsika natao androany fa miankina betsaka amin’ny risi-po sy ny fahaiza-mikaroky ny tsirairay ny fitohizan’ny andiany faharoa sy ny manaraka rehetra ». « Hivelatra bebe kokoa ny hetsika ary mety hipaka hatrany amin’ny firotsahan’ny Faritra iray manontolo mihitsy aza » hoy hatrany izy.

Araka ny filazan’i Skolastika Lucas, Mpandrindra ny hetsika, dia tolo-kevitra avy amin’ny Del.Form ity ho fanampiana ny tanora zezoita hirotsaka amin’ny fikolokoloana ny Tranobe iombonana. Etsy andaniny ny fanentanan’ny Laudato si fa etsy ankilany koa ny fanatanterahana ny Safidy apôstôlika fahefatra iombonan’ny Fikambanan’i Jesoa maneran-tany (PAU 4). Ankoatra izay dia fanampiana ny hafa hitodika bebe kokoa amin’Andriamanitra no natao satria toeram-pivavahana sy fivahinianana iny toerana iny ka rariny raha hadio sy hilamina. Hanome tolotànana ny hafa aza hatao, maika fa ny an’ny Faritra indray ve no hojerena fotsiny e !

« Voizo Manafo » no anarana nosafidiana. Teny mibaiko sy mampirisika hirotsaka sy hanitatra ary hampiely ny toe-po tia tontolo iainana ny teny voalohany hoe « voizo ». « Manafo » kosa dia maneho ny fahatanorana feno tanjaka sy fahavitrihana ary fanantenana hanao zavatra. Izany no hita taratra raha atao indray mijery ity hetsika ity.

Teo ny fikajiana ny Tontolo iainana fa anisany nanamafy ny fiombonan’ny samy tanora zezoita ihany koa ny andron’ny alakamisy 09 aprily. Ny fanadiovana vita, ny fiombonana azo. Ny lalao baolina kitra no namaranana azy ny tolakandro.

Mirary soa ho an’ny hetsika « Voizo Manafo » !

JesCom