You are currently viewing Ilay zaza mpitondra Fanantenana

Ilay zaza mpitondra Fanantenana

Matetika vakiana hitoriana fibebahana ny evanjely mitantara ny fanoharana momba ilay zaza mpandany. Amin’izany ilay Ray dia miandry ny fiverenan-janany mba handray ny fifonany. Misy lafiny hafa azo andraisana azy ihany koa anefa ity evanjely ity, raha toriana amin’ireo nirahina sy nomena tsodrano mba handeha hikatsaka izay mahasoa ny ankohonana. Amin’izay ilay Ray dia miandry, mitazana, tsindrin-daona, liana, te hahalala. Tsy miandry fifonana satria nandamoka ny paik’ady napetraka, fa kosa miandry am-panantenana, an-kafaliana, ny vaovao mahafaly sy mitondra fanantenana. Tsy miandry hoe «Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho» fa kosa «Dada ô, tena tsara ny andram-piainana hitako tany, nitondra vokatra ny tso-dranonao».

Izay no azonay zezoita avy amin’ny Faritra MDG voairaka eto amin’ny Faritra EOF hamintinana ny famangian’ny Lehiben’ny Faritra farany teo. Raha tsiahivina dia ny 1 aprily izy no nigadona teto Paris mba hamangy ireo tanora miofana sy mianatra ato amin’ny Faritra. Anisan’ny anton-diany tamin’izany ihany koa ny fanotronana ny fanamasinana ireo diakra telo lahy, Alain sy Léonard ary Masy, tao amin’ny Bazilikan’i Md Denis ny sabotsy 11 aprily 2026. Hafaliana sy fanantenana no nifampizarana tamin’ireo fihaonana samihafa. Tao Parisy no nihaonany tamin’ny ankamaroany ary tao Lille kosa ho an’ireo somary avarabaratra kokoa (Lille sy Namur).

Nitondra hafaliana sy fanantenana ity fitsidihana kanônika ity hoy izahay satria na ny fifampizaran’ny tsirairay na ny fomba fahitan’ny Lehiben’ny Faritra ireo iraka sahanina any Madagasikara sy amin’ny toerana-kafa dia nahitana taratra izany avokoa. Mahavelombolo ny maheno fa miabo ny andram-piainana ataon’ny rahalahy tsirairay ato amin’ny Faritra MDG : ao ireo nalefa hianatra sy hiofana amin’ny toerana sy sehatra samy hafa, ary ao koa ireo voairaka hisahana andraikitra manokana.

Ambohimpihaonana tamin’ireo rahalahy miasa sy mianatra any Rome ihany koa Parisy ny faran’ny herinandro teo iny noho ny fanotronana ireo rahalahintsika nohamasinina diakra. Nahafinaritra ny fiombonana ary tena nalai-nisaraka.

Ny harivan’ny alahady 12 aprily no nandray sidina ho any Zambia hamonjy fivorian’ny JECAM indray ny Lehiben’ny Faritra. Eto dia manararaotra ihany koa izahay miarahaba ireo vao nohamasinina ho diakra tany Abidjan ny 8 aprily lasa teo, ary mirary soa ny rehetra amin’ny iraka iandreketany avy.

Ny rahalahinareo aty amin’ny Faritra EOF