You are currently viewing Famoahana mpianatra teto amin’ny Universite Jesuit School of Theology

Famoahana mpianatra teto amin’ny Universite Jesuit School of Theology

Vaovao voalohany ho resahina dia ny Sortie de promotion teto amin’ny JST-SCU. Tontosa soa aman-tsara ny Sabotsy faha 23 may 2026 lasa teo ny famoahana an’ireo mpianatra nahavita ny fiofanana “graduation ceremony”. Miisa 49 mianadahy izy ireo no nahavita izany fiofanana izany teto Berkeley. Misokajy toy izao manaraka izao izay ireo: Master Divinity (M.Div), Master of Theology Studies (M.T.S), Master of Theology (Th.M), Bachelor of Sacred Theology (S.T.B), Licentiate in Sacred Theology (S.T.L), Doctorate of Sacred Theology (S.T.D). Tany amin’ny Sekoly foibe tany Santa Clara no nanatanterahina ny famoahana an’ireo mpianatra. Ny mampiavaka manokanaan’ity sekolintsika ity, indrindra ny amin’ ny sampana Teôlôjia, amin’ny fotoana famoahana ny mpianatra dia ny fisaloran’ny mpianatra tsirairay ny “etole” mitondra ny lokon’ny sainam-pireneny avy. Vaovao faharoa tsara ampitaina amintsika dia ireo zezoita mpianatra hanao ny Teôlôjia eto amin’ny JST-SCU manomboka amin’ny taom-pikatrohana 20262027. Ny conference US sy Canada dia tsy handefa mpianatra 1er Cycle eto intsony manomboka amin’ny taona ho avy io fa 2nd sy 3e Cycle ihany no ho avy eto. Tsy voakasik’izay kosa anefa ny zezoita avy amin’ny faritra hafa. Izany hoe mahazo sehatra kokoa araka izany ny fandraisana ireo mpianatra iraisam-pirenena ho an’ny 1er cycle ho an’ny taom-pikatrohana manaraka eo. Vaovao fahatelo tsara ampitaina amintsika ihany koa día ny fifindran’ny fivondronam-be ny zezoita sy ny asa iandraiketany (na ny sekoly izany na ny ankohonam-piainana) eto Berkeley fa hitambatra amin’ny foibe any Santa Clara manomboka ny taom-pikatrohana 2027-2028 ho avy eo. Izany hoe hiala eto Berkeley isika. Toy izay ny vaovao sy tsara ho fantatra ho antsika izay hanohy fianarana aty an-toerana ato ho ato. Samia mahereza aby amin’ny iraka izay atrehina.

Ny ekipa eto Berkeley