You are currently viewing Tafahaona tany Farafangana ny Régents any amin’ny tapany atsimo

Tafahaona tany Farafangana ny Régents any amin’ny tapany atsimo

Tonga teto an-toerana ny mpivahiny ny sabotsy 28 martsa. Niara-nankalaza ny andron’ny Sampakazo tamin’ny Kristianina tao amin’ny Paroasy Md Zôzefa Impitiny ny ampitso ary ny harivan’io no niditra tamin’ny matsom-panahy telo andro. I Mompera William, Tertiaire, manao andram-piainana any antoerana no nitarika sy nanampy anay tamin’izany. Haravoana sy fo faly no hita tamin’ny tsirairay tamin’ny fiarahana niatrika ny hateloana izay notanterahina teto Farafangana ho an’ny Régents aty amin’ny tapany atsimo, avondron’ny ankohonampiainana telo : Md Alphonse Rodriguez Mananjary, Md François Xavier Fianarantsoa ary Md Jacques Berthieu Atsimo Benenitra Toliara. Vavaka, fifampizarana, firahalahian’ny mpiara-dia, fankaherezana ireo rehetra mandalo sedra no azo amintinana ny fiarahana. Samy manana ny maha izy azy ny tsirairay any amin’ny toerana misy azy any fa tanjona iray ihany, Iraka iray ihany. Samy faly, samy nahazo fahasoavana, velo-panantenana, vonona hidina indray any amin’ny « lohasahan-dranomaso » misy azy rehefa avy nanovo hery ny vatana, ny saina ary ny fanahy, hiatrika ireo fanamby miandry, hizara izay azo. Anisany nampiavaka an’ity hateloana ity ihany koa ny jery tombana ny hoavin’ny Fikambanana sy ity Nosy malalantsika ity izay azo fintinina amin’ny teny indraimbava hoe : « mila mianatra isika, zalahy, fa tsy ampy an’izany ity firenena ity, ny fiangonana ary ny fikambanana ». Isaorana an’Andriamanitra izany rehetra izany satria izany no vita dia noho Izy. Aterina ihany koa ny fankasitrahana an’i Mompera Curé, Hervé, nandray anay.
Isaorana ny mpitantana nanome ny tsara indrindra nahafahana nikatsaka ny Sitrapon’ny Tompo, Toy ny fanao dia nofaranana tamin’ny Sorona masina sady fanavaozana ny fanoloratena ny matsom-panahy ny harivan’ny alarobia 01 aprily. Ny Sociusn’ny Lehiben’ny Faritra, sendra nandalo tany an-toerana, no nitarika ny Sorona masina tao amin’ny Paroasy Impitiny. Samy namonjy ny toerana misy azy avy ny tsirairay rehefa vita ny fivahinianana ny alakamisy masina 02 aprily, tamin’ny fo faly, vatana tomady, na dia hita ihany aza hoe malaina hisaraka tamin’ireo fotoana niarahana nivavaka sy nifampizara.
S. Fetiarisoa sj Régent, CIC Mananjary