You are currently viewing Tanoran’ny Fanavaozana ignasianina

Tanoran’ny Fanavaozana ignasianina

Natao teny Tsaramasoandro ny TSARA YOUTH DAY IV ny Alahady 19 Aprily 2026 lasa teo. « Tanora ignasianina vono-kanova ny ankehitriny ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany » no lohahevitra nanentana ity andiany fahefatra ity izay nahitana tanora maherin’ny 1 500 tonga nanohana ny antso.
Efa andiany fahefatra sahady ny Tsaramasoandro youth day (TSARA.Y.D) izay hetsika fanaon’ny Tambajotra MAGIS isan-taona. Mbola teny amin’ny Skolastika Md Paoly Tsaramasoandro ihany no nanatontosana ny hetsika tamin’ity taona ity ny alahady fahatelo amin’ny fankalazana ny Paka lasa teo. An’arivony ireo tanora tonga avy any amin’ny paroasy sy aomôneria iasan’ny Fikambanana na any amin’ny anaovan’ireo Skôlastika ministera isaky ny alahady. Tsara ny manamarika fa tanjona fototra amin’ny fikarakarana ity hetsika ity ny fivoizana ny fiainampanahy ignasianina ho an’ireo tanora mifanerasera amin’ny Zezoita ary ho fiarahan-dàlana amin’izy ireo ho fanatanterahana ny Safidy apôstôlika iombonana fahatelo an’ny Fikambanana maneran-tany (PAU 3).
Tamin’ny 8 ora sy 30 minitra no nanomboka ny fotoana nialohavan’ny antsam-panahy nifandimbiasan’ny antokompihira avy amin’ny lasapaelin’ny miaramila, Ampahibe sy ny EKAR Ifarihy. I Mompera Serge Armel no nitarika ny famelabelarakevitra izay nifototra bebe kokoa tamin’ny fiainam-panahy ignasianina. Fiovana miainga amin’ny fitodihana amin’ny tena no ilaina mba hahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra ny tsirairay ka hahafahana miroso ara-panahy sy miara-dàlana amin’ny hafa eo amin’ny fiaraha-monina. Io no anisany teboka lehibe nanamarika ny fifampizarana izay narahin’ny fametrahan’ny tanora fanontaniana. Nandritra izany ny fizarana ny sakramentan’ny Fampihavanana. Tamin’ny 10 ora sy 45 minitra kosa no nanomboka ny Sorona masina notarihin’i Mompera Jean de Dieu, Mpandrindra ny Réseau Magis, ary notronin’ireo pretra zezoita maromaro. I Mompera Mparany (Socius) no nanao ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra ka nandritra izany no nanamafisany ny maha-zava-dehibe ny fisokafana bebe kokoa amin’i Jesoa ilay miandry antsika hanatona Azy, hifampizara Aminy ny momba antsika. Ny tapany hariva dia nifantoka tamin’ny seho kanto isam-paroasy ary nifarana tamin’ny alalan’ny dihy niarahana (zumba) izany.

Hafaliana sy haravoana no nanenika ny tanora izay tonga nanatrika ity hetsika ity ary velo-panantenana hatrany hanatrika indray ny andiany fahadimy sady fankalazana ny fahadimy taonan’ny hetsika amin’ny taona ho avy. Etoana dia mamerina hatrany ny fisaorana sy fankasitrahana antsika rehetra nanampy na mivantana na ankolaka tamin’ny fanatontosana iny hetsika iny ary tsy hadino ihany koa ny mpanao soa tamin’izany. AMDG.

Ny Skôlastika mpikarakara